Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Piscine Ankatso: hatao anio  ny Festival d’Art Urbain 7

Piscine Ankatso: hatao anio  ny Festival d’Art Urbain 7

Hotanterahina anio eny Ankatso eo amin’ny “Piscine” ny “Festival d’Art Urbain 7” karakarain’ny eo anivon’ny oniversiten’Antananarivo, “DOSC”, izay fiaraha-miasa amin’ny la Teinturerie.  Hanomboka amin’ny 3 ora sy sasany tolakandro ny seho. Sehatra ara-javakanto maro ny handray anjara amin’izany: ny tontolon’ny rap, ahitana an-dry Eklypse, Yremar, Ratsilahy&Fab’s Brownz, Fitia, Geoscar. Eo amin’ny tontolon’ny haisoratra, dia hisy antsan-tononkalo, iarahana amin-dry Riambola Mitia sy Tahirintsoa. Ny eo amin’ny tontolon’ny dihy, ahitana an-dry Dih’Ay Fy sy Flash crew. Eo amin’ny fampandihizana ny DJ HMan. Eo koa ny mpanakanto maro samihafa… “Anisan’ny tanjona amin’izany ny hanome lanja ny resaka kolontsaina ety amin’ny oniversite an’Antananarivo”, raha ny nambaran’ Andriamandimby Souleman, Talen’ny kolontsaina eo amin’ny oniversiten’Antananarivo. Maro ny karazana hetsika isan-karazany rehefa volana marsa toy izao, noho izy Andro iraisam-pirenena ho an’ny poezia. Anisan’izany ity hetsika eny Ambohitsaina anio ity.

Narilala

Les commentaires sont fermées.