Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra any Frantsa: hanao sonia ao amin’ny PSG i Mathyas

Ho tapitra amin’ny faran’ny volana jona ho avy izao ny fiofanana ataon’ilay mpiandry tsatoby malagasy, Randriamamy Mathyas, amin’ny maha mpilalao zandriny azy,  ao amin’ny ekipan’ny Paris St Germain (PSG). Araka izany, raha ny fantatra, hiditra eo amin’ny sehatry ny matihanina amin’izay ny tovolahy, izay mbola 17 taona. Hanao sonia ny fifanarahana amin’ny ekipa A, an’ity ekipan’i Paris, ity izy atsy ho atsy. Mbola hiankina betsaka amin’ny mpanazatra anefa izany.

Tsiahivina fa nandalo fotoan-tsarotra ny ivontoeram-piofanana tao Frantsa, tamin’ny taon-dasa noho ny tsy fahampian’ny fifaninanana. Tokony hosedrain’ireo klioba anefa izy ireo, mialoha ny 30 avrily, mba hahazoana mandefa azy. Nandalo ireo ambaratongam-piofanana rehetra, tao amin’ny ekipa PSG zandriny i Mathyas, ary izao eo antokonam-baravaran’ny ekipa misy an’i Neymar sy i Mbappé ary i Di Maria, izao.

Marihina fa efa nantsoina hanatevina ny ekipam-pirenena frantsay, U20 ny tovolahy, saingy nandà izany fa ny hiaro ny voninahi-pirenena malagasy no tiany. Anisan’ireo mpiandry tsatoby nantsoin’i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny Barea de Madagascar, raha teo izy amin’ny fihaonana hikatrohana amin’i Etiopia, ny 24 marsa, ho avy izao eo amin’ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2022).

Ao anatin’ireo «Top 5»-n’ny mpiandry tsatoby parizianina, Randriamamy Mathias, amin’izao fotoana izao.

 

Tompondaka

 

 

Les commentaires sont fermées.