Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kaonfederasiona afrikanina baolina kitra (CAF): nahenan’ny TAS ho 2 taona ny sazin’i Ahmad

Namoaka ny valin’ny fanadihadiana mikasika an’i Ahmad, filohan’ny Kaonfederasiona afrikanina ny baolina kitra (Caf) ny Tribonaly misahana ny fanatanjahantena (TAS), omaly ka nahazo fihenan-tsazy izy. Nahena ho 2 taona ilay 5 taona nomen’ny Federasiona iraisam-pirenena (Fifa) azy, ny volana novambra 2020. Araka izany, afaka tamin’ny lamandy 5000 Francs Suisse i Ahmad.

Mbola andrasana kosa ny fanapahan-kevitry ny Fifa na ho afaka hirotsaka ho kandidàn’ny Caf ny tenany na tsia. Tsiahivina fa hotanterahina any Rabat Maraoka, ny zoma 12 marsa ho avy izao ny fifidianana izay ho filohan’ny Caf vaovao. Marihina fa niala tsy nifaninana ilay Ivoarianina, i Jacques Anouma sy ilay Senegaley, i Augustin Senghor ary ilay Maoritanianina, i Ahmed Yahya ka niaraka nanohana ilay mpanefohefo afrikanina tatsimo, i Patrice Motsepe.

 

Tompondaka

 

Les commentaires sont fermées.