Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

An-kitsim-po

Lalan-dratsy…

Lalan-dratsy. Miharatsy daholo ny lalana eto amin’ny Nosy , ireo lalam-pirenena mahazatra (RN7, RN2, RN6, RN4…), indrindra fa ny maro mampitohy ireo kaominina any ambanivohitra. Misy tsy mazava ny fanamboaran-dalana eto amintsika, izay antoky ny fampandrosoana. Karazana atao ambanin-jvatra mihitsy, ny tsy voavoatra moa, tsy misy fiovana ; ny namboarina indray, tsy ampy roa taona akory dia efa simba.

Mpamokatra, mpitatitra, olon-tsotra, samy mahita faisana  daholo, mamono antoka ny toekarena mihitsy. Raha atao ny tombana, matiantoka hatramin’ny 72 % ny mpamboly noho ny faharatsian-dalana. Ireo mpanangom-bokatra kosa, maro amin’izy ireo ny tompon’ny fiara mpitatitra ihany, ka izy ireo no mametra ny vidim-bokatra. Noho izany, ny mpamokatra voatery mivarotra mora, raha misy ny vokatra ; ny mpanjifa voatery mividy lafo.

Noho ny faharatsian-dalana ihany, betsaka ny tsy salama tsy tafavoaka ny tanàna misy azy, na tafavoaka ihany  fa lafo ny fitaterana. Ankoatra ny olana ara-pahasalamana ateraky ny lalan-dratsy izay, tsy araka ny tokony ho izy ny fampianarana, sy ny asam-panjakana samihafa. Noho izany, tokony ho laharam-pahamehana ity lalana ity fa be loatra ny mijaly.

 

M.C

 

 

Les commentaires sont fermées.