Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Yves Robinson: « Manintona ahy ny taotrano gasy… »

Yves Robinson: « Manintona ahy ny taotrano gasy… »

Manana ny taotrano mampiavaka azy koa Antananarivo. Tsy mbola takon’ny taotrano maoderina tanteraka izy ireny, indrindra eny amin’ny tanàna ambony. « Manintona ahy manokana ny taotrano gasy teto Antananarivo, indrindra ity teny Ambondrona ity. Lalana fandalovako matetika eo, ary tsikaritro hatrany io trano gasy mbola voatahiry amin’ny endriny taloha io”, hoy ity mpanakanto ity. Mpahay maritrano rahateo no niatombohany, avy eo fantatra teo amin’ny tontolon’ny tantara an-tsary sy ny hosodoko. Sary nalainy manokana no naveriny amin’ny hosodoko ireto harantin’i Yves Robinson ireto. Hain’ny mpanakanto tsara ny manasongadina izay tiany hisarihana ny maso, ny fo ary ny fanahin’ireo mpitsidika.

 

NANATONTOSA: Zo ny Aina Randriatsiresy
SARY: Fano

Les commentaires sont fermées.