Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra -Nanaiky hiverina Barea  i Faneva Ima

Taorian’ny filazan’i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny Barea de Madagascar, mangataka ny hiverenan’Andriantsima Faneva Ima, ao amin’ny ekipam-pirenena, nanambara ny tovolahy fa vonona amin’izay adidy hampandraiketina aminy izy ary hanolo-tanana ho an’ireo mpilalao malagasy tanora sy mendrika mba hiaraka hifarimbona sy hifanome hery, hahatafita an’i Madagasikara indray any amin’ny «Can 2022». Nomarihiny fa tsy nampoiziny ny antso nataon’ny mpanazatra sy ny federasiona malagasy (FMF), azy. Efa nifampiresaka tamin’ny raiamandreniny sy ny vady aman-janany i Faneva Ima, amin’izao fiverenany ho ao amin’ny Barea de Madagascar, izao indray.

Marihina fa tsy hiakatra eny ambony kianja akory izy fa hanome ny fahaiza-manaony sy hizara ny traikefany, amin’ny maha mpilalao matihanina azy ka nahazoana ireny vokatra tany amin’ny «Can 2019», tany Egypta, ireny.

 

Tompondaka

 

Les commentaires sont fermées.