Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hitsy toraka: tokana ihany ny tanjona

Vaovao nahasarika ny mpankafy ny taranja baolina kitra, tamin’iny herinandro lasa teo iny, ny famoahan’ny mpanazatran’ny Barea an’i Madagasikara, ny lisitr’ireo mpilalao hifandona amin’ny Etiopia sy Niger, amin’ny lalao miverin’ny fifanintsanan’ny Can 2021. Resabe tetsy sy teroa, tao ny nankasitraka, tao ny nanakiana, tao ny nifanome tsiny. Tokana ihany anefa ny tanjona, dia ny hahafahan’ny ekipa malagasy, hiatrika fanindroany indray ity fiadiana ny amboaran’i Afrika amin’ny baolina kitra ity.  Tsy tokony hisy, araka izany, ary tena mila hatsahatra mihitsy ilay mifampitsikera ho any amin’ny tsy fahombiazana. Fandresena ny mila banjinina satria tokana ihany ny tanjona. Inoana marina tokoa fa tsy misy haniry izay tsy fahombiazana izay ho an’ny ekipantsika, indrindra fa ny mpanazatra. Fantany rahateo ny andraikitra nomena azy ka matoky azy ny rehetra. Etsy an-kilany, antenaina fa hanome ny soa avy aminy koa ny mpilalao voatsonga.

 

Mi.Raz

 

Les commentaires sont fermées.