Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

« Aloky ny Ntaolo »: dindon’ny omaly, taratry ny ampitso…

« Aloky ny Ntaolo »: dindon’ny omaly, taratry ny ampitso…

Manokatra ny dia an-tongotra anatin’ny tsidika « Madagascar Ligne 11 » ny fampirantiana “Aloky ny Ntaolo”. Ranty miisa 6, ahitana sary miavaka no atolotr’i Lowett amin’izany. Miavaka satria sary mifangaro, maneho ny taloha sy ny ankehitriny no lalaovin’ity tanora mpikanto ity. “Aloky ny Ntaolo”, satria maneho an’Antananarivo taloha, ampivadiana ny amin’izao fotoana izao. Notakariny tamin’ilay fandaharana “Ghost of  history”, mampiseho sary tamin’ny Ady lehibe voalohany sy faharoa, nampivadiana tamin’ny sary ankehitriny izany.
“Mampiseho ny zavatra misy sy ny efa nisy, ny niova sy ny teo foana ireo sary ireo. Misy ny teo foana fa toa tsy nasiana lanjany, kanefa mirakitra tantara ihany koa”, hoy ny nambaran’i Lowett. Sary nalainy fony tsy mbola nalaza firy toa izao ny fakana sary eny an-dalambe ireo.
Nampivadiany kosa tamin’ireo sary tranainy, izay efa miparitaka izany.

Les commentaires sont fermées.