Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Vehivavy sy kolontsaina: ho eny Ambohimanga ny Evamad

Vehivavy sy kolontsaina: ho eny Ambohimanga ny Evamad

8 marsa, Andron’ny vehivavy… Maro ny hetsika hoentina hanamarihana izany. Ho an’ny Evamad manokana, hanatanteraka fitsangantsanganana amin’ny alalan’ny fitsidihana ny toerana manan-tantara sy mitahiry kolontsaina eny Ambohimanga Rova ny mpikambana ao aminy amin’io andro io. Hetsika natao ho an’ny rehetra izy ity satria hoentina hampitombo ny fahalalana ny tantaran’ny tanàna sy ny vakoka. Ao anatin’izany, hisy ny kilalao sy ny fialamboly isan-karazany, ny fiarahana mizaha voary sy ny manodidina ny Rova, ny fianarana ireo tantaran’ny mpanjaka nifandimby, sns, araka ny nambaran’ny mpikarakara. “Tsy vao izao fa efa maro ny hetsika fitsidihana toerana mampitombo fahalalana notanterahinay. Ilaina rahateo ny miala voly sy ny fampifaliana saina amin’ny fitsangantsanganana”, hoy Raharinoely Nicole, mpitantana ny Evamad.

Manana ny tambajotran-tserasera facebook “Evamad” izy ireo ho an’izay te hiara-hiasa na liana amin’ny hetsika ataony. Na manatona ny foibeny eny amin’ny immeuble Shop Avenir rihana faharoa, anoloan’ny Assurance Mama Anosibe.

Narilala

 

Les commentaires sont fermées.