Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kick boxing – “Combat de défi”: hotsapaina ny haavo teknikan’ny mpikatroka

Raikitra ny ady fihantsiana na ny “Combat de défi”, karakarain’ny ligin’Analamanga ny kick boxing. Natao hanokafana ny taom-pikatrohana 2021 ho an’ny ligy ity hetsika ity, raha ny fanazavan’ny filohan’ny ligy, i Mino Harifetra. Natao ihany koa hitsapana ny haavo teknikan’ny mpikatroka sy hitiliana izay hisolo tena an’Analamanga hiatrika ny ady hatao any Fianarantsoa ity fifaninanana ity, raha ny fanazavana hatrany. Seksiona miisa efatra (Antananarivo Renivohitra, Atsimondramo, Avaradrano, Andrefaniarivo), samy manana mpikatroka 10 avy, ny hifandona etsy amin’ny Petit Palais Mahamasina amin’io fotoana io ary ady miisa 57 ny hitranga, ahitana solontena vehivavy. Nambaran’ny ligin’Analamanga fa mahatontosa hatrany ny andraikitra apetraka aminy ny ligy hatramin’izay ary na nisy aza ny fanaratsiana, nijoro foana ny ligy. Hatramin’izao, hoy ny filoha, i Mino Harifetra, tsy mbola nisy nandoa ny “droit d’affiliation”, nanomboka ny taona 2018, ireo mpikatroka, kanefa mizotra tsara ny fitantanana ary misy hatrany ny loka omena rehefa fifaninanana toy izao. Tsy tontosa anefa izany, raha tsy teo ny mpanohana. Mirotsaka mifanolo-tanana amin’ny ligy ny fikambanana FFAM, tarihin-dramatoa Misha. Fikambanana misehatra amin’ny fanampiana ny tanora ka izany indrindra ny antony hanohanana fifaninanana mampivelatra ny tanora toy izao, raha ny nambaran’ny mpitantana ny fikambanana. Tsiahivina fa tontosa omaly teny amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina ny fanolorana ireo mpikatroka mpifanandrina amin’io “Combat de défi” hotontosaina ny 14 marsa izao io.

 

Mi.Raz

 

Les commentaires sont fermées.