Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fantina sy fintina

Miantso fifampiresahana ny Jly Ramakavelo Desiré. “Ny fifanatonana ihany no vahaolana. Na firenena roa miady aza, mifampiresaka avy eo. Mitondra faisana ny vahoaka rehefa miseho ny tsy fifankahazoan-dresaka”, hoy izy. Nanteriny fa tokony hahatsapa ny fahasahiranan’ny vahoaka, mpanohitra sy mpitondra. Jereo ny vahaolana fa tsy hifanenjika sy hifanaratsy. Manana andraikitra amin’izany famahana olana izany ny fitondrana, araka ny nambarany. Nanteriny koa fa manana adidy hanao tatitra ny depiote ka tokony hohenoina.

 

Mitohy ny fanadihadiana momba ilay volamena any Afrika Atsimo, araka ny nambaran’ny Seg, Ravalomanana Richard. “Ireo olona tafiditra amin’io, andraisana andraikitra ary mila misitraka ny hareny ny Malagasy. Raha misy olona tratra ary na iza na iza amin’ny fanondranana antsokosoko. Miady amin’izany ny fanjakana”, hoy izy. Nohitsiny fa tokony ho sahy hitoroka ny rehetra miaraka amin’ny porofo ireo mahita manao izany, araka ny toromarika voarain’ny eo anivon’ny zandary.

 

Les commentaires sont fermées.