
Lehilahy niisa efatra tratra nandroba entana nentin’ny kamiao lehibe iray tao amin’ny tanànan’i Malotolava, fokontany Ambatosipihina, kaominina Antanambao Ambary, distrika Mandoto, RN 34, ny 3 marsa lasa teo tamin’ny 11 ora alina.
Nandritra ny fandehanan’ny fiara moramora tamin’ny fiakarana, nanararaotra namaky ny taorian’ny kamiao ireo jiolahy. Lasan’izy ireo tamin’io fotoana io ny damizana 10 nisy solitany 40 litatra sy menaka 140 litatra. Raha vantany vao nahatsikaritra ny loza, nampahafantatra ny mpitandro filaminana ny mpamily ny fiara. Natao ny fanarahan-dia ireo olon-dratsy ka tratra teo am-pitaterana ny entana ny roa lahy. “Taorian’ny fanadihadiana, nanambara ny namany roa hafa voalaza fa naka fiara hitondrana ny halatra, ireo jiolahy ireo”, hoy ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritry ny Zandarimaria Mandoto, ny kapiteny Rabemananjara Irinjaka. Tra-tehaka, araka izany, ireo namany ireo taorian’ny vela-pandrika. Ankoatra izay, voasambotra koa ny mpivady monina ao Maromandray voalaza fa mpandray ny entana halatra ataon’ireo jiolahy efa-dahy. Marihina fa naverina amin’ny tompony avokoa ny entana rehetra.
Tsiferana Randriatiana
Les commentaires sont fermées.