Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

8 marsa: tontolo voakajy, miteraka fampandrosoana

8 marsa: tontolo voakajy, miteraka fampandrosoana

Hanamarika ny Andro maneran-tany ho an’ny vehivavy, ny 8 marsa izao, ny fikambanan’ny vehivavy miombona ao amin’ny antoko Maitso Hasin’i Madagasikara. Manentana ny vehivavy rehetra izy ireo hiaro sy hikajy ny tontolo iainana hiteraka fampandrosoana holovain-jafy ho an’ny tanindrazana iombonana. « Miainga amin’ny tenantsika aloha izany, miampita amin’ny ankohonana sy ny manodidina ary mipaka amin’ny firenena manontolo », hoy Rafenomanjato Patricia, mpiandraikitra ny fanofanana sy ny fanabeazana ao amin’ny antoko Maitso. Raha ny fanazavana nataony, efa namoaka boky ho an’ny fanabeazana eo amin’ny tontolo iainana an-tsekoly izy. « Angatahiko fanohanana amin’ny malala-tanana ny ahafahana mizara izany maimaimpoana ho an’ny faritra 22 manerana ny Nosy », hoy izy.

Marihina fa ankoatra ny tontolon’ny fanabeazana, misehatra amin’ny tontolon’ny kolontsaina ihany koa Rafenomanjato Patricia. Anisan’izany ny soratra izay nanoratany boky mirakitra angano,  kabary ary fanabeazana.

Nanangona : HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.