
Isan’ny miasa mafy ho an’ny fampandriana fahalemana manoloana ny voina maro samihafa, indrindra ao antin’ny vanim-potoana ny rotsak’orana, tahaka izao, ny Vondrona vonjy voina (CPC), ny BNGRC ary ny sampana mpamonjy voina na CSPA. Miantsehatra amin’ny famonjena ireo mpiray tanindrazana amin’ny loza samihafa mety hitranga eny ifotony izy ireo. Fahatsapana izany indrindra, notolorana fiara lehibe miisa telo sy kojakoja isan-karazany toy ny aroloha sy ny fanamamiana entina hanampiana ny fitaovana eo am-pelatanan’izy ireo ny sampana vonjy voina. Fiaraha-miasan’ny Tafika malagasy ny masoivoho frantsay ny nahatontosana ireo fanampitaovana vaovao ireo, izay marihina fa natolotra tetsy amin’ny Vondrona vonjy voina Ivato omaly.
Tsiferana Randriatiana
Les commentaires sont fermées.