Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tsy fanarahan-dalàna: naaton’ny CUA ny fanorenana trano etsy Tsiazotafo

Tsy fanarahan-dalàna: naaton’ny CUA ny fanorenana trano etsy Tsiazotafo

Nitondra fanamarihana mahakasika ny fanorenana tsy ara-dalàna etsy Tsiazotafo ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Voalaza amin’izany fa ninia nandika ny lalàna ny fanorenana ny trano lehibe iray eny an-toerana.

Rihana telo ny voafetran’ny lalàna sy nanomezana taratasy fahazoan-dalana. Rihana 10 anefa no hita eny an-toerana ankehitriny. Efa namoahana taratasy fampiatoana ny asa, ny 20 janoary teo, ny tompon’ny trano. Efa tonga hatramin’ny fanakatonana na « scellage » mihitsy izany.

Amin’izao fotoana izao anefa, manohy ny asa fanamboarana hatrany izy ireo ary miseho andro antoandro izany izay manaporofo ny tsy firaharahana mihitsy ny fididiana ny Tanànan’Antananarivo.

“Tsy azontsika ekena ny tsy fanarahan-dalàna sy ny fanararaotana toy izao. Noho izany, tsy maintsy handray fepetra hentitra ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Tsy ara-dalàna ny fanorenana toy izao sady mitera-doza ho an’ny rehetra”, hoy ny ben’ny Tanàna Andriantsitohaina Naina.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.