Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

By-pass

Raim-pianakaviana iray no namoy ny ainy noho ny fianjeran’ny  “rouleau” nentina kamiao lehibe iray tetsy amin’ny lalan’ny By-pass afakomaly. Mbola nahatsiaro tena ilay mpamily fiara karetsaka ka nentina namony hopitaly. Tsy tana anefa ny ainy ka izao niafara tamin’ny fahafatesany izao. Marihina fa   avy  naka entana tany Toamasina ity fiara lehibe iray izao nitera-doza izao.

Mpanendaka tao Antaniavo

Naiditra am-ponja omaly tamin’ny 11 ora atoandro  ny mpanendaka hikoizana  iray ao Antaniavo. Tratra teo am-panatontosana ny asa ratsiny ity olon-dratsy ity ka tsy afa-nitsoaka. Taorian’ny fanadihadihan’ny polisy ny tenany, niakatra fampanoavana omaly ny raharaha ka nidoboka am-ponja ity jiolahy ity.

Jiolahy nitam-piadiana

Jiolahy nitam-basy rao koa no voasambotry ny polisy tao Maroantsetra afakomaly. Nanafika ny tokan-trano iray tao amin’ny fokontany Androkaroka ireto olon-dratsy ireto ka nanao ny fikarohana azy ny mpitandro filaminana rehefa naharay fitarainana. Voasambotra tamin’izany izy roalahy ary nahatratrana basy vita gasy niisa roa tany amin’izy ireo. Andalam-pikarohana ny namany kosa ny polisy amin’izao fotoana.

Les commentaires sont fermées.