
8MM- La Palette
Tontolon’ny hip hop. Valo milimetatra na Valo mena maso, 8 MM… Vondrona anisan’ny ela teo amin’ny tontolon’ny rap malagasy. Raha somary ela tsy tazana, miverina an-tsehatra indray izy ireo, ho etsy amin’ny La Palette Antsirabe, anio amin’ny 7 ora hariva. Marihina fa ho tafaray ao ny 8 MM manerana ny Nosy.
Foxy’s Band-La Teinturerie
Rock&blues… Hitondra ny mozikany etsy amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo Foxy’s Band, anio zoma 5 marsa manomboka amin’ny 7 ora hariva. Hiangalina ao, araka izany, ry Scorpion, ry Dire Straits, ry BB King,ry Jimi Hendrix, ry The Rolling Stones, ry Creedence, ry Prince, ry Eagles. Hafana ity fihaonana anio hariva ity.
New way- No Doze Tanjombato
“Zoma mahafinaritra”… Hitondra ny fahaiza-manao etsy amin’ny No Doze Trano Bongo Tanjombato, anio zoma 5 marsa manomboka amin’ny 8 ora alina, ny New way. Izany dia ahitana an-dry Finoana, i Jossie, i Jao, i Johan, i Telina. Haneho ny fahaizany mihira amin’io izany i Jaovolahasy Ratovomanana Alias Jao.
Nangonin’i Narilala
Les commentaires sont fermées.