Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Nanisana: trano iray kilan’ny afo, potika tsy nisy noraisina ny entana

Tokontrano misy rihana iray may kilan’ny afo, tetsy amin’ny fokontany Nanisana, anatin’ny boriborintany fahadimy, afakomaly alina tokony ho tamin’ny 11 ora. Nikoropaka ny manodidina raha nahita afo niredareda teo amin’ny faritry ny trano niharan-doza. Tsy nisy olona nipetraka anefa tao ambany rihana nipoiran’ny loza ka samy nifarimbona namono ny afo ny mponina manodidina.

Tonga ara-potoana koa ny sampana mpamonjy voina ka voafehy ny afo ora iray taorian’ny firehetana. May tsy nisy noraisany ny entana tao anatin’ny trano ambany rihana ary entana vitsivitsy ny avotra ho an’ny tompon-trano tao ambony. Voatery nifindra monina anefa ny tompon’ny trano noho ny fahasimban’ny trano. Marihina fa tsy fantatra mazava izay tena nahatonga ny firehetana, rah any filazan’ny mponina manodidina.

Tsiferana Randriatiana

Les commentaires sont fermées.