Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mihamafy ny kere: mpifindra monina maherin’ny 10 maty an-dalana

Mihamafy ny kere: mpifindra monina maherin’ny 10 maty an-dalana

 

Tena efa tafahoatra araka ny nambaran’ny depiote Tsaradia Marco, voafidy tao Ampanihy, omaly tao amin’ny RNM. « Maherin’ny 10 ireo mpifindra monina maty teny an-dalana, mandeha an-tongotra hatrany amin’ny 30 km mandositra ny kere hihazo an’Androka », hoy izy. Nanteriny fa tsy tody intsony hanatratra ny fanomezana sakafo ireo tavela ireo. « Tsy voaisa intsony ireo mpifindra monina. Tena henjana ny miseho amin’izao fotoana izao. Ny lalana ratsy ary sahirana ny kamiao vao tonga any », hoy ihany izy. Na izany aza, nambarany fa efa tonga any an-toerana ny Pam mijery ny zava-misy sy ny avy minisiteran’ny Mponina, saingy olana ny lalana. Voafetra ihany ny fahafahan’izy ireo mamonjy ireo toerana. Efa manao ny ezaka rehetra ny tenany sy ny depiote namany, i Keron Idealson. Eo koa ny antso avo nataon’izy ireo amin’ny ben’ny Tanàna sy ireo malala-tanana rehetra.

Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.