Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Lomano-Analamanga: raikitra ny fifidianana

Lomano-Analamanga: raikitra ny fifidianana

Raikitra ihany ny fifidianana ho mpitantana vaovao ny ligin’Analamanga ny lomano, rehefa nahitana fihemorana intelo nisesy. Kandidà miisa roa no fantatra fa hifaninana.

Tapaka ary tsy misy fiovana intsony fa hotanterahina rahampitso asabotsy 6 marsa ny fifidianana eo anivon’ny ligin’Analamanga ny lomano. Fifidianana efa nahemotra intelo raha tsiahivina. Efa tamin’ny taon-dasa no tapitra ny fe-potoana tokony hitantanan’Andriamanjatoharimanitra Tojohanitra sy ny ekipany kanefa noho ny valanaretina Covid-19, tsy afaka nanatontosa fifidianana. Taorian’izay, tapaka fa ny faran’ny volana janoary lasa teo ny daty vaovao napetraka hanaovana izany kanefa noho tsy fisian’ny kandidà, mbola nahemotra indray. Ny volan’ny febroary lasa teo ny daty farany napetraka, saingy mbola tsy tanteraka ihany koa. Tsy miova intsony kosa fa rahampitso ny tena daty hanaovana ny fifidianana raha ny fanazavana. Efa misy kandidà roa rahateo nametraka antontan-taratasy hirotsa-kofidina ka tsy misy intsony ny sakana tsy hanatanterahana izany. Hatreto aloha, mbola mijanona ho tsiambaratelon’ny mpikarakara ny fifidianana ny anaran’ireo kandidà roa hifaninana ireo. Etsy amin’ny ANS Ampefiloha ny hanaovana ny fifidianana hitantana mandritra ny efatra taona manaraka ny ligin’Analamanga ny lomano ity. Tsiahivina fa tsy manana seksiona ny ligin’Analamanga fa ireo klioba miisa 10 ny ho avy handatsa-bato ho amin’io rahampitso io.

 

Mi.Raz

 

Les commentaires sont fermées.