Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – Fihaonana amin’i Etiopia sy i Niger: nantsoina i Faneva Ima hanatevina ny Barea

Kitra – Fihaonana amin’i Etiopia sy i Niger: nantsoina i Faneva Ima hanatevina ny Barea

Nahabe fanontaniana ny anaran’ireo mpilalao handrafitra ny Barea hiatrika ny lalao amin’i Etiopia sy i Niger. Nisy fiovana ny lisitra ka tao ireo nosoloina ary teo koa anefa ny nantsoina toa an’i Faneva Ima, miaraka amin’ireo mpilalao vaovao avy eto an-toerana.

Mpilalao 29 ka fito ny avy eto an-toerana ny nantsoin’i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny Barea de Madagascar, hiatrika an’i Etiopia sy i Niger, eo amin’ny andro fahadimy sy fahenina hiadian-toerana ho an’ny “Can 2022”, taranja baolina kitra. Tsy notazomina intsony i Hery Bastien fa nosoloina an’i Doddy, mpilalaon’ny Jet Kintana. “Lalàn’ny fifaninanana no nitranga. Naharesy lahatra ahy ny zava-bitan’i Doddy, nandritra ny lalao natrehiny tamin’ny “Orange pro league”, raha mitaha amin’i Hery Bastien, izay tsy tao amin’ny tanjany loatra tao ho ao. Tsy midika anefa izany fa tsy hantsoina intsony izy amin’ny manaraka”, hoy i Nicolas Dupuis.

Tsy hiakatra kianja fa hankahery ny mpilalao

Ankoatra izany, nasaina manokana i Faneva Ima, hiaraka amin’ny Barea, hanome aina sy hankahery ireo mpilalao fa tsy hiakatra kianja akory.

Fantatra fa naroso ho amin’ny 24 marsa ny lalao hihaonana amin’i Etiopia ka tanterahina ao amin’ny kianja Bahir Dar Stadium, 500 km avaratr’i Addis-Abeba, Renivohitra. Mila arovava sy orona manokana hanaovan’ireo mpilalao, hampisy tanjaka azy ireo amin’ny fanazarantena, noho ny toerana avo hilalaovana ka tsy misy rivotra loatra. Mitentina 50 euros na 125 000 Ar ny vidin’ny iray amin’izany, izay mbola angatahina amin’ny fanjakana.

 

Tompondaka

 

 

Ireo mpilalao nantsoin’i Nicolas Dupuis:

Mpiandry tsatoby

1- Melvin Adrien (FC Martigues, Frantsa)

2- Randriamamy Mathyas (PSG U19, Frantsa)

3- Ibrahima Dabo (JS St-Pierre, La Réunion)

4- Razakanirina Nina (As Adema, Madagasikara)

Vodilaharana

5-Razakanantenaina Pascal (JS St-Pierre, La Réunion)

6- Jérôme Mombris (Grenoble Foot 38, Frantsa)

7- Sylvio Ouassiero (CS Fola Esch, Belzika)

8- Romain Metanire (Minnesota United, USA)

9- Jérémy Morel (FC Lorient, Frantsa)

10- Ramanjary Théodin (Fosa Junior, Madagasikara)

11-Razafindrabe  Rajo (Cosfa, Madagasikara)

12- Rakotondrazaka Ando (Elegeco Plus, Madagasikara)

Irakiraka

13-Andrianantenaina Anicet (PFC Ludogorets, Bolgaria)

14- Randriambololona Zotsara (FC Fleury 91, Frantsa)

15- Marco Ilaimaharitra (Royal Charleroi SC, Belzika)

16-Raveloson Rayan (ESTAC Troyes, Frantsa)

17- Ibrahim Amada (Al Markhiya, Qatar)

18- Dimitri Caloin (Fleury FC, Frantsa)

19- Andriamirado Arohasina Dax (JS St-Pierre, La Réunion)

20- Loïc Lapoussin (RU Saint-Gilloise, Belzika)

21- Rakotoarisoa Doddy Mathieu (Jet Kintana, Madagasikara)

Lohalaharana

22- Rakotoharimalala Njiva (Tsy misy klioba)

23-Andriamahitsinoro Carolus (Al Qadisiya FC, Arabie-Saoudite)

24- Ramalingom Alexandre (CS Sedan A, Frantsa)

25- Hakim Abdallah (FC Swift Hesper, Belzika)

26- Voavy Paulin (Misr El Makkasa, Egypta)

27- Lalaina Nomenjanahary (Paris FC Frantsa)

28- Manampisoa Lalaina (Disciples FC, Madagasikara)

29- Razafindrasata Tsito (Jet Kintana, Madagasikara)

Les commentaires sont fermées.