Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kianjan’ i Barikadimy: feno ahitra sy fako ny manodidina

Kianjan’ i Barikadimy: feno ahitra sy fako ny manodidina

Tsy misy fikarakarana, na kely aza, taorian’ny fandraisana ny lalaon’ny Barea sy i Cote d’ Ivoire ny 17 novambra lasa teo, ny kianjan’ny Stadium Barikadimy. Vato nilavoana, hatramin’ny androany, ity kianja ity ary tsy nisy fijerena na kely akory aza. Samy mifampiandry ny rehetra amin’ny fanamboarana ny kianja kanefa efa manakaiky ny handraisana ny lalaon’ny Barea sy i Niger ao an-toerana. Azo antoka fa hiandry ankatoky ny lalao, ny 30 marsa izao, ny tomponandraikitra vao hikitika sy hikoropaka hanamboatra ary hanadio ny manodidina izay efa feno ahitra toy ny tanana haolo. Amin’ny ankapobeny, mitaky fanatsarana toe-tsaina tokony hananan’ny tsirairay ny fahaizana mikajy sy mikolokolo ny fananana iombonana ka anisan’ny tompon’andraikitra feno ny fiadidian’ny kaominina ary ny sampandraharahan’ny tanora sy ny fanatanjahantena. Toy izay ihany koa ny fokontany misy ity kianja hany tokana manara-penitra sy iraisam-pirenena eto Toamasina ity. Tsiahivina, efa tapaka fa any Barikadimy ny hanaovana ny fihaonan’ny Barea sy Niger ary tsy misy toeran-kafa intsony eritreretina, ka izany indrindra ny ilàna ny fandraisana andraikitry ny tomponandriakitra.

 

Sajo

 

Les commentaires sont fermées.