Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

HAODY: fa inona ihany ity « tenin-dreny » ity e?

Fandikan-teny bontolo tahaka izao ihany no anisan’ny namotika ny teny malagasy hatramin’izay! Ny « langue maternelle » indray io nanaovana dikan-teny tandrametaka io ka nanjary « tenin-dreny ». Fanaovana tsinontsinona sa fanahy iniana? Mety ho tsy fahaizana ihany koa ve? Toa tsy ireo rehetra ireo, hono, fa vokatr’ilay saina voazanaka anjato taona!

Tsy azo hadinoina mantsy fa tsy ilay nitondra sivy volana an-kibo ihany no reny fa ilay nandrombaka ny Fahaleovantenan’i Madagasikara sy nampitondra faisana ny Malagasy ihany koa. Dia hiverina hiteny ny teniny indray ve izany ny Malagasy? Mba sanatriavo ihany ry mpanao dikan-teny bontolo!

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.