Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fisorohana ny fiakaran’ny rano: nodiovina ny lakandrano eto an-dRenivohitra

Fisorohana ny fiakaran’ny rano: nodiovina ny lakandrano eto an-dRenivohitra

Efa hita taratra ny ezaka natao, amin’ny fiatrehana ny fahavaratra. Mitohy hatrany ny fanadiovana ataon’ny Himo sy ny RF2, miaraka amin’ny CUA. Miisa 12 ireo fokontany nanaovana fanadiovana ka anisan’izany ny manodidina ny Valée de l’Est eny Besarety. Maherin’ny 100 ireo manadio lakandrano amin’izany. Tahaka izany koa ny fokontany Andranomanalina Isotry. Nodiovina ny lakandrano mirefy 500 m ka 100 koa ireo niasa tamin’izany. Nanaovana hetsika tahaka izany koa ny fokontany Andavamamba Anjezika I ka mirefy 250 m ny lakandrano nodiovina. Efa nisy ny vokatra tsara amin’ny fihenan’ny rano miakatra sy mihandrona. “Madio ny tanànantsika fa eo koa ny fanomezana asa ireo eny anivon’ny fokontany, indrindra ny fijerena manokana ny vehivavy”, hoy ny eo anivon’ny CUA. Hifarana ny 6 marsa ny hetsika fanadiovana amin’ireo fokontany miisa 64. Miara-miasa amin’ny CUA amin’izany kosa ny Positive Planet.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.