Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Famoriam-bahoaka : nangataka ny Magro Tanjombato ireo depiote Tim

Nametraka fangatahana alalana vaovao eny amin’ny Prefektiora ny hanaovana hetsika famoriam-bahoaka ireo depiote Tim. Tokony hatao ny asabotsy izao etsy amin’ny Magro Tanjombato izany. Nambaran’ny prefet, ny Jly Ravelonarivo Angelo, anefa fa ny eo anivon’ny distrikan’Atsimondrano ny misahana izany. Tokony hangataka any izy ireo, miaraka amin’ny fangatahana amin’ny Emmo/Reg ho amin’ny fitandroana ny filaminana.

Andrasana indray izany izao na hotanterahina etsy amin’ny Magro Tanjombato indray izany na tsia. Efa nandrangaranga sahady kosa anefa ny eo anivon’ny OMC fa handray fepetra raha mbola misy mikiry ho eny Soamandrakizay.

Ankoatra izany, nanao fanambarana tetsy Bel’Air koa ireo tanora eo anivon’ny RMDM, omaly. « Hita taratra ankehitriny ny fanampenam-bava amin’ny endriny maro. Koa mijoro izahay tanora hiady amin’ny jadona”, hoy izy ireo.

Mitaky koa ny hamoahana tsy misy fepetra azy 12 mianadahy nosamborina teny Analakely ny 20 febroary teo.

Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.