Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ambanidia, Antanimora: havaozina ny fantson-drano 600 metatra

Ambanidia, Antanimora: havaozina ny fantson-drano 600 metatra

Mitohy ny fanavaozana ny fantson-dranon’ny Jirama eto an-dRenivohitra. Nanomboka ny 2 marsa teo ny asa eny Ambanidia, Ampasanimalo hatrany Antanimora. Mirefy 600 metatra ny fantson-drano soloina na havaozina ka ho vita ao anatin’ny telo herinandro, izany hoe, mialoha ny 21 marsa 2021.

Nilaza ny Jirama fa hisy ny fikorontanana sy ny fahatapahan’ny famatsian-drano mandritra ny asa. Nomarihiny kosa fa maharitra adiny roa na telo eo ho eo isan’andro ny fahatapahana.

Tsiahivina fa maromaro ny toerana efa nanaovana ity fanaovazana fantson-drano ity. Toy ny eny Anosipatrana, eny Alarobia, eny Nanisana, eny Anjanahary, tamin’ny taona 2020. Andiany voalohany ity asa ity ka mirefy 90 km ny fantsona havaozina amin’izany, ary mbola hitohy avy eo.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.