Mpisinto-mahery tetsy Andravohangy
Lehilahy iray 18 taona no naiditra etsy Antanimora, omaly, noho ny sinto-mahery sy asa fanendahana ataony eny amin’ny fokontany Andravohangy sy ny manodidina. Ny marain’ny 28 febroary lasa teo tokony ho tamin’ny 09 ora maraina , voasambotry ny polisy CSP III teo am-panaovana ny asa ratsiny tetsy Andravohangy Atsinanana ity tontakely ity ka izao niafara tamin’ny fanagadrana azy izao.
Fiara nivarina anaty lakan-drano
Loza hafakely no nitranga tetsy amin’ny moron’ny lakan-drano tetsy Tsarasaotra, omaly, fiara iray no nivarina tao anaty rano. Efa novonoin’ny mpamily tanteraka motera ary nivoaka ivelan’ny fiara izy. Tampoka, nikisaka ary niroana tao anatin’ilay rano ny lohan’ny fiara.
Les commentaires sont fermées.