Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Rallye any Frantsa: handray anjara amin’ny P.208 Rally cup i Hugo

Rallye any Frantsa: handray anjara amin’ny P.208 Rally cup i Hugo

Raha tsy misy ny fiovana, hanomboka ny volana may ho avy izao ny fifaninanana Peugeot 208 Rally cup, izay tafiditra ao anatin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Frantsa, amin’ny hazakazaka fiarakodia. Anisan’ireo handray anjara amin’izany i Hugo Louvel, tompondakan’i Madagasikara, amin’ny karting.

Tsiahivina fa hisy dingana fito ity Peugeot 208 Rally cup ity. Mihevitra ny hifaninana  amin’ny hazakazaka miisa roa amin’ny tany sy 6 amin’ny “asphalte”, i Hugo. Hotohanan’ny orinasa Peugeot, izay ho mpandresy amin’ity ka ho afaka hiditra ao anatin’ny tontolo maha matihanina, eo amin’ny rallye.

Tsy vaovao amin’ny fitondrana Peugeot 208 i Louvel satria efa nitondra izany nandritra ny rallye Bagnol –les-Bains andiany faha-19 notanterahina tamin’ny taon-dasa ka nahatafiditra azy tao anatin’ny “Top 10”.

Marihina fa fiara Peugeot 208 ihany ny hany afaka mifaninana. Na izany aza, voafetra ny tanjaky ny fiara, hoentina izay natao ho “2 roues motrices”, ihany sy ny tsy fisian’ny “turbo”, raha tsy hilaza afa-tsy ireo. Karazana “challenge” moa ny Peugeot 208 rally cup.

 

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.