Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Karate-Afrika Kumite: hatao any Egypta raha tsy misy ny sampona

Fantatra, araka ny fampitam-baovao, avy amin’ny mpandrindra eo anivon’ny federasiona malagasy ny karate fa handray anjara amin’ny fiadiana ny tompondaka an’i Afrika, sokajy kumite, i Madagasikara, raha toa ka tsy misy ny olana ara-pahasalamana  ary ampy ny hoenti-manana. Efa fantatra ihany koa fa any Egypta ny hanaovana ny fifaninanana raha tsy misy ny sampona, saingy mbola hofaritana tsara kosa ny daty hanatanterahana izany. Ho fanomanana ny fiatrehan’i Madagasikara ny fifaninanana, efa nanaraka fiofanana nanomboka ny fiandohan’ny volana febroary ireo atleta hifantenana izay hisolo tena ny firenena malagasy. Eo am-piandrasana ny fandaminana mahakasika ny dingana farany amin’ny fiofanana, hahafahana mamoaka ny lisitra farany kosa amin’izao ireo atleta mendrika voafantina amin’izany.

Manaraka fiofanana ihany koa etsy an-kilany, ireo mpikatroka Kata, izay raha ny nambaran’ny mpandrindra dia niitarina izany fiofanana izany noho tsy fahafenoin’ny ara-teknika. Ankoatra izay, ny 13, 20 ary 27 marsa ny hiofana etsy Ankorondrano ireo mpitsara fifaninanana. Fifaninanana miisa roa izay efa voafaritra anatin’ny tetiandron’ny federasiona ny hotsarain’izay mahavita ny fiofanana, raha ny fanazavana. Eo ilay fifaninanana ho an’ny latsaky ny 14 taona, karakarain’ny ligin’Analamanga ary ny “Coupe de l’Ambassadeur” solon’ny “Coupe de Madagascar”, karakarain’ny federasiona. Hotanterahina ao anatin’ny 3 volana manaraka avokoa ireo fifaninanana ireo ka izany indrindra ny anton’ny hanomezana fiofanana ireo mpitsara.

 

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.