Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

JESS ERNESS sy TENCE MENA: hamoaka clip “Ampiadaniko”

JESS ERNESS sy TENCE MENA: hamoaka clip “Ampiadaniko”

Mpanakanto zanak’i Morondava, mivelatra amin’ny fiaraha-miasa amin’ny artista i Jeff Erness na i Tovonay Fernestin. … Ny taon-dasa iny no niditra teo amin’ny sehatry ny hira sy ny mozika  ny lehilahy. Vao tsy ela akory izay, tamin’ity taona ity izy no namoaka ny «Tsy mahadigny» izay sanganasany voalohany. Ankehitriny, miroso amin’ny famoahana ny vokatra manaraka ny lehilahy. Miavaka ity hirany vaovao ity satria ahitana fampiaraham-peony amin’i Tence Mena izany. «Ampiadaniko» no lohatenin’io hirany io, izay miresaka fitiavana, raha ny fanazavan’i Jeff Erness. Nilaza ihany koa ity farany fa noezahina ho matihanina hatrany ity sanganasany ity satria raha ny lafin’ny sary fotsiny mantsy dia fantatra fa i Sylvanno Ratsimandresy, izay diso fantatra loatra eo amin’ny famokarana rindrantsarin’ireo mpanakanto malaza maro eto Madagasikara no nanao izany. Ny lafin’ny feo ihany koa dia trano fandraisam-peo isan’ireo matihanina eto Dago no nanaovany izany. Mbola maro ny vokatra aorian’io, hoy Jeff Erness ary mbola ho maro koa ny fiaraha-miasa amin’ireo mpanakanto vaventy. Tanjon’i Jeff Erness ny mba ho isan’ireo mpanakanto goavana eto Madagasikara.

Narilala

Les commentaires sont fermées.