Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Electric Vocuhila: vahiny mitrandraka ny tsapiky

Electric Vocuhila: vahiny mitrandraka ny tsapiky

Maro ireo efa nahita ny horonantsary nataon’izy ireo. Vazaha mpitendry maromaro, miangaly ny gadona tsapiky, mampiavaka iny tapany atsimon’ny Nosy iny. Niparitaka nandritra ny fotoana ela tao anatin’ny tambajotran-tserasera isan-karazany izany, izay nampiaiky ny maro tokoa. Tsy tongatonga fahatany anefa ny aingam-panahin’ny tarika Electric Vocuhila, raha nanao izany fa tena nitodika sy nitrandraka ny mozika malagasy, indrindra ny tsapiky izy ireo. Efa nisy rahateo ny fiarahana an-tsehatra nataon’ny Electric Vocuhila sy i Damily, mpanakanto malagasy miangaly tsapiky.
Ho tohin’ny tetikasa, fantatra fa hisy ny fiarahana haka endrika fifanakalozana eo amin’ity tarika frantsay ity sy ny mpanakanto malagasy. Hanomboka amin’ny fifanakalozana ampitan-davitra aloha izany, noho ny mbola fisian’ny sakana amin’ny sidina. Hatao rahampitso 4 marsa iy io, manomboka amin’ny 4 ora sy sasany, ao amin’ny efitrano fivorian’ny IFM Analakely. Hitari-dresaka amin’izany i Julien Mallet, nikaroka manokana momba ny tsapiky sy Randrianary Victor, manampahaizana manokana momba ny mozika. Rehefa milamina kosa ny toe-draharaha, efa anaty fandaharam-potoana ny fampisehoana ataon’ny Electric Vocuhila sy ireo mpanakanto malagasy eto Antananarivo, Antsirabe ary Toliara.

Zo ny Aina

Les commentaires sont fermées.