Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tetikasa “Chinatown” – Behoririka: fanatsarana sy fanovana endrika no tanjona

Raha ny marina, miainga amin’ny fanovana sy fanatsarana endrika ny tanàna, no tena anton’ilay tetikasa “Chinatown” kasain’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra hatao etsy Behoririka, araka ny fanazavana voaray. Na izany aza, “tetikasa mbola eo an-dalam-pandinihana sy vao hakana hevitra ny hanaovana ny etsy Behoririka ho tanàna ahitana an-dry zareo Sinoa maro izany”, hoy ny eo anivon’ny CUA. Nanterin’ny fanambarana fa niainga amin’ny fangatahan’ireo mpandraharaha misehatra eo an-toerana izany tetikasa izany ho fanatsarana ny tanàna. Ho voaravaka sy hiova endrika tanteraka ny etsy Behoririka sy ny manodidina amin’izany.  Ho zary lasa toerana mahafinaritra sy mahasarika ary manaitra ireo toerana amin’izany », hoy ny eo anivon’ny CUA. Tsy midika anefa izany fa hisy ny fanorenana toeram-pivarotana vaovao na koa fotodrafitrasa hatsangana, araka ny fanambarana

Efa fahita sy fanao any ivelany rahateo ny tahaka izany amin’ny alalan’ny fanatsarana endrika ireo toeram-pivarotana. Hametrahan’ny kaominina any amin’ny firenena sasany fepetra mihitsy ny tokony hanajarian’ny mpivarotra sy hanomezana endrika manaitra sy manitona ny maso izany.

Araka izany, tsy tokony ho olana eto amintsika ity tetikasa ity.

Synèse R.

 

 

Les commentaires sont fermées.