Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Rajoelina Mialy tany Toliara: “Zava-dehibe ny fanohanana ny asa fiveloman’ny vehivavy” 

Rajoelina Mialy tany Toliara: “Zava-dehibe ny fanohanana ny asa fiveloman’ny vehivavy” 

Renivohi-paritany fahatelo notsidihin’ny vadin’ny filoha, Rajoelina Mialy ao anatin’ny fanamarihana ny Andron’ny vehivavy, omaly, ny tany Toliara. Niara-namboly moringa (ananambo) tamin’ny fikambanam-behivavy ao an-toerana Magnavotse izy sy ny minisitry ny Rano.Velarana 5 ha no novolena moringa 3 000 fototra tao amin’ny kaominina Belalanda, distrikan’i Toliara II. Rehefa mihalehibe ny hazo, azo otazana ny raviny ary totoina ho lasa vovoka. Ampiasaina hatao sakafon’ny ankizy tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo ao Toliara ny vokatra azo avy eo satria mitondra otrikaina mahavelona. Notoloran’ny vadin’ny filoha fitaovana fanodinana ny ravina moringa ho vovony ny fikambanam-behivavy Mangavotse ho fanampiana ny fivelomany. « Zava-dehibe amiko ny fanohanana ny vehivavy amin’ny asa fivelomany ahafahany mizaka tena ary vonona hatrany aho hanampy azy ireo », hoy izy, nitafa tamin’ireo vehivavy marobe solontenan’ireo ampela ao amin’ny faritra Atsimo Andrefana.

Rehefa mifanohana ny vehivavy, mivaingana ny vokatry ny asa miteraka vokatsoa ka izay no hoezahina hatao miaraka amin’ny fikambanam-behivavy manerana ny Nosy.

« Hainay ny manodina ny moringa ho vovoka fa tsy manana fitaovana izahay ka mankasitraka ny fanoloran’ny vadin’ny filoha milina hanaovana izany, manomboka izao. Efa nisy rahateo ny fiofanana tsotra mikirakira io milina io, hoy i Avenir, mpikambana ao amin’ny fikambanana Mangavotse. Azo atao laoka ary manampy ny ankizy tsy ampy sakafo ny moringa ka zava-dehibe ny fambolena natao omaly teny Belalanda. Nihazo an’i Fianarantsoa izy avy eo namboly dite tao amin’ny kaominina Sahambavy, distrikan’i Lalangina. Nanolotra fitaovana fiompiana tantely ho an’ny fkambanam-behivavy tao an-toerana koa ny vadin’ny filoha.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.