Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Madagasikara-Japon: mitotaly 607 tapitrisa Ar ny fanampiana roa sosona

Roa sosona ny fanampiana natolotr’i Japon amin’ny sehatry ny fahasalamana sy ny  fanabeazana, omaly. Mitentina 607 tapitrisa Ar ny tentim-bidin’ireo fanampiana ireo.

Anisan’izany ny sonia fifanaraham-piaraha-miasa amin’ny hanomezana fiara mpitatitra marary «ambulance» miisa telo. Fiara efa nampiasaina tany Japon ary nohavaozina ho azo ampiasaina tsara eto Madagasikara indray ireto ho avy ireto.

Mitentina 291.944.683 Ar ny tetibidin’ny fanamboara rehetra sy ny fahatongavany eto.  Hanampy amin’ny sehatry ny fahasalamana, indrindra ny fitaterana marary ireto fiara ireto.

Anisan’ny hopitaly lehibe eto Madagasikara ny CHUJRA kanefa roa monja ny fiara mitatitra marary ampisainy ho an’ny mponin’Antananarivo sy ny manodidina ka mampanano sarotra ny famonjena ny ain’olona.

Tetsy an-daniny, natao ihany koa ny sonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny kaominina Ankaraobato sy ny masoivohon’i Japon amin’ny fanamboarana Lycée ao an-toerana. Mitentina 315.500.000 Ar ny fanamboarana izany. tsy mbola manana Lycée ity kaominina ity ka anisan’ny laharam-pahamehana ny fanatanterahana izany.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.