Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hery vonjy taitran’ny polisy: nahazo fitaovana manokana avy amin’ny MSP

Nanolotra fitaovana ho an’ny vondrona manokana ny hery vonjy taitra eo anivon’ny polisim-pirenena ny minisitry ny Filaminam-bahoaka (MSP), ny contrôleur général de police, Randrianarison Fanomezantsoa, omaly. Nambarany fa fitaovana hampiasaina hitandroana ny filaminam-bahoaka ireto nomena ny vondrona manokana ireto. Nahitana moto miisa sivy, izay hanampiana ny polisy amin’ny famonjena ao anatin’ny fotoana fohy sy haingana ireo mpiara-belona izay tra-pahavoazana na mila vonjy raha sendra misy manafika izy ireo. nohamafisin’ny MSP fa ankoatra ireo, misy fitaovana hafa hitandroana ny filaminam-bahoaka ihany koa toy ny paint ball sy ny aroloha izay ampiasain’ny polisy amin’ny fifehezana ny ain’ireo olona mandritra ireny fihetsiketsehana samihafa ireny. Hiatrika fiofanana avy hatrany ireto polisy ireto mialoha ny hampiasan’izy ireo ny fitaovana vaovao.

Jean Claude

 

 

Les commentaires sont fermées.