Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fikasan’ny depiote Tim ho eny Soamandrakizay: mitaky fanazavana amin’ny “prefet de police” ny katolika

Fikasan’ny depiote Tim ho eny Soamandrakizay: mitaky fanazavana amin’ny “prefet de police” ny katolika

Tsy mifankahazo ny resaka ? Nivoaka amin’ny fanginany ny eo anivon’ny fiangonana katolika manoloana ny hampiasana ny eny Soamandrakizay hanaovana hetsika politika. Efa nanajary ny toerana koa ny tompon-tany ety ambany.

Mifamahofaho ny resaka. “Tsy ao amin’io toerana, nandraisana ny papa Fransoa  io no hanaovana izany hetsika izany. Miantso ny tompon’andraikitra tandrify hanazava ny momba izany”, hoy ny vikera jeneraly eto anivon’ny diosezin’Antananarivo, ny Mgr Rabenatoandro Ludovic, afakomaly, tao amin’ny haino aman-jery katolika (RDB). Nohitsiny fa tsy amin’io toerana io izany hetsika izany. Tanin’ny fiangonana io ary manan-tompo. Misy fotodrafitrasa maro ao. Anisan’izany ny “Imprimerie” katolika, miasa ao an-toerana, araka ny nambarany. “Sarotra ho anay ny hanaovana na hampidirana hetsika, ivelan’ny karakarain’ny fiangonana ka amafisinay fa tsy avy aty aminay fiangonana katolika no manambara izany”, hoy izy.

Aoka hatsahatra ny fanelezana ny sarin’i Soamandrakizay

Nanteriny fa tokony hatsahatra koa ny fanelazana ny sarin’io toerana io amin’ny haino vaky jery  na tambajotran-tserasera. “Tany manan-tompo io ka tsy tokony hivoaka eny rehetra eny ny sarin’ny eny Soamandrakizay io…”, hoy ihany izy. Notsindriny fa tsy anjaran’ny fiangonana ny manondro ny toerana hafa, hanaovana izany hetsika politika izany…

Tsiahivina fa anisan’ny nambaran’ny prefet de police, ny Jly Ravelonarivo Angelo tamin’ny nanomezana alalana ny depiote Tim ny eny Soamandrakizay, ny 19 febroary teo fa nanaovana “Requisition” tamin’ny tompony io toerana io mba hampiasaina, hanaovana tatitry ny depiote. “Ny tany malalaka “parking” no homena azy ireo…” hoy izy tamin’izany fotoana izany.

Notrongisin’ny tompon-tany ny toerana

Etsy andaniny, efa nohajarian’ny tompony, omaly notrongisina ny ampahany betsaka amin’ io tany malalaka fiantson’ny fiara, nampanantenain’ny prefektiora io ka tsy ahafahana mamory hamoriana vahoaka intsony indray. “Tsy mbola fantatra na ho azo na tsia indray amin’io fotoana io”, hoy ny prefet tamin’ny fampahafantaran’ny Tim ny hetsika hataony, ny herinandro teo.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.