Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Andron’ny 8 marsa: mangataka famatsiam-bola sy tany ho azy ny vehivavy tantsaha

Andron’ny 8 marsa: mangataka famatsiam-bola sy tany ho azy ny vehivavy tantsaha

Nanao fanambarana ny Fikambanan’ny vehivavy tantsaha (FVTM), amin’izao hanamarihana ny andron’ny 8 marsa izao. “Ampirisihana ny fanamafisana sy fampitomboana ny famatsiam-bola amin’ny fampitomboana ny fahalalan’ny vehivavy tantsaha… Hampiharina ny fanapahan-kevitra amin’ny hahazoana tany ho an’ny tanora sy ny vehivavy”, hoy izy ireo tetsy Faravohitra, omaly. Nanterin’ny FVTM fa hatsangana ny faritra ho an’ny fampandrosoana sy ny fampiasam-bola ary mirona kokoa amin’ny fampiasam-bola ho an’ny zanaky ny tantsaha, araka ny politikan’ny fananantany. “Tsy hita loatra anefa ny fampiharana izany. Ilaina koa anefa ny fampitaovana sy ny fanajariana avy amin’ny fanjakana sy ny vondrom-bahoaka”, hoy ihany izy ireo.

Nanterin’ny FVTM fa tokony ho andro handinihana ny vahaolan’ny fahasarotam-piainan’ny vehivavy ny 8 marsa. “Tsy iray andro ihany ny fiainan’ny vehivavy tantsaha. Hanehoana ny ezaka vita sy ny hotratrarina ary ny vahaolana amin’ny olana ny Andron’ny vehivavy”, hoy ihany izy ireo. Takin’izy ireo ny toetsaina miralenta amin’ny sehatra rehetra. Fanoitra ho an’ny fampandrosoana izany ary mifandray amin’ny fomba fisainana malagasy.

Synèse R.  

Les commentaires sont fermées.