Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Volley-Afrika: « Mandeha hatrany ny kotrana », hoy ny mpanazatra

“Na tsy mbola fantatra aza ny fandraisana anjara na tsia an’ny ekipan’ny GNVB amin’ny fiadiana ny tompondaka an’i Afrika, ny 31 hatramin’ny 12 avrily izao any Egypta, mandeha hatrany ny kotrana”, hoy ny mpanazatran’ny ekipa, Ranaivoson Thierry. Nambaran’ity mpanazatra ity hatrany fa miankina amin-javatra maro ny fahafahana na tsia miatrika ny fifaninanana any ivelany, indrindra ny mahakasika ny valanaretina Covid-19. Nanamafy izany ihany koa ny tale teknika nasionaly, Razafinjatovo Jean Honoré, nilaza fa mbola miandry fampitam-baovao ofisialy, vao afaka milaza na handray anjara na tsia i Madagasikara. Tetsy ankilany, nilaza ny mpitantana ny klioban’ny Stef’Auto, klioba sokajy vehivavy hisolo tena antsika amin’ity fiadiana ny tompondaka an’i Afrika ity, fa miankina amin’ny fahitana mpanohana ny fahafahan’izy ireo miatrika izany. Araka ny fantatra, ny nosy Maorisy sy i Madagasikara ny hiatrika an’i Egypta, taorian’ny nahazoana ny laharana voàlohany sy faharoa tamin’ny fiadiana ny amboaran’ny klioba tompondaka, ho an’ny faritra fahafito (CCCZone7), notontosaina teto Madagasikara ny taona 2019.

Ankoatra ny fifaninanana iraisam-pirenena, mizotra tsara ihany koa ny fanatanterahana ny fandaharam-potoana eto an-toerana ho an’ny federasiona malagasy ny volley ball. Mamarana ny fampiofanana amin’ity herinandro ity ny eto anivon’ny ligin’Analamanga, araka ny fampitam-baovao.

 

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.