Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra: Distrikan’i Bealanana

Fiara 4×4 lehibe iray no nivadika noho ny fahatapahan’ny hisatra tao amin’ny RN 31 Bealanana, Antsohihy, afakomaly. Tsy nisy ny aina nafoy ho an’ny mpandeha tao anaty fiara, saingy naratra avokoa izy ireo. Tetsy ankilany,  potika tanteraka ilay fiara. Marihina fa efa nentin’ny mponina manodidina namonjy hopitaly ireo olona tra-doza tao anaty fiara ary tsy misy ahina ny ain’izy ireo.

Fakana an-keriny tao Andilamena

 

Tsy nitsaha-nikaroka ny andian-dahalo naka takalonaina tao amin’ny tanànan’i Beanana, kaominina Ambakireny, distrikan’Andilamena, ny miaramila niisa 25, ny faran’ny herinandro teo. Raikitra ny fifandonana tamin’ny dahalo ka lavo ny iray amin’ireo olon-dratsy. Vehivavy roa koa, voasambotry ny mpitandro filaminana ary fantatra fa sakaizan’ireo mpaka an-keriny izy ireo. Tratra niaraka amin’ireto farany ny basy mahery vaika miisa efatra. Tafaporitsaka kosa ny lehiben’ny dahalo sy ny vehivavy roa hafa.

 

Les commentaires sont fermées.