Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tonga ireo delegasiona 56: novahana ny olan’ny oniversite Toliara

Tonga ireo delegasiona 56: novahana ny olan’ny oniversite Toliara

Delegasiona mafonja, miisa 56, no nidina ifotony any Toliara hamaha ny olan’ny vatsim-pianaran’ny mpianatry ny oniversite Maninday. Hanomboka anio avy hatrany ny asa rehetra momba ny fanisana ny mpianatra. Hotanterahina koa ny “digitalisation” mba tsy ho tara intsony ny fandraisana vatsim-pianarana isam-bolana. “Ho tafiditra ao anaty kaontin’ny mpianatra tsirairay avy hatrany ny volany. Hirosoana avy hatrany koa ny fizarana ny vatsim-pianarana efa-bolana aorian’ny fanisana hatao”, hoy ireto manampahefana ireto.

Hanomboka avy hatrany koa ny fijerena ny fotodrafitrasa rehetra notakin’ny mpianatra. “Tsy maintsy voavaha ny olana fa mitaky fitoniana sy faharetana ho antsika mpianatra sy ny vahoaka ary ny ray aman-dreny rehetra isika”, hoy ihany izy ireo. Nekena avokoa izany ny fitakian’ny mpianatra ka anisan’izany ny hametrahana “connexion wifi” maimaimpoana ny eny amin’ny Campus.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.