Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tarika RHEG: fahombiazana ny seho

Tontosa tetsy amin’ny Ivontoeran’ny kolontsaina malagasy Antsahavola (IKM), ny faran’ny herinandro teo, ny andiany faharoa amin’ny fankalazana ny faha-20 taon’ny tarika Rheg. Tanteraka ny hoe « Antsika ny rock », raha ny seho roa niarahana tamin’izy ireo tao anatin’izay volana febroary izay. Raha ho an’ity seho faharoa ity, fahombiazana tanteraka satria maro ireo tonga nanatrika izany. Feno tanteraka ny efitrano. Anisan’ny seho nanamarika an’i Rheg manokana iny andiany faharoa iny, raha ny filazany, satria «tena nampisy fiheseham-po lehibe indrindra ho ahy tao anatin’izay roapolo taona izay iny omaly iny ».

Tsy hijanona eo fa hisy seho hotanterahina amin’ny faritra hanomezana fahafaham-po  ny rehetra mpankafy Rheg. Ankoatra ny maha tarika, anisan’ny mampiavaka azy ireo ny famokarana karazan-javatra isan-karazany, amin’ny alalan’ny « Otoprod », izay an-dry zareo. Ohatra amin’izany, ny famoahana rindrantsary, ny fandraisam-peo, ny sakafo, ny akanjo, sns.

Narilala

Les commentaires sont fermées.