Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

SG Madagasikara: mitroka CO2 3,9 t/taona ny hazo voavoly

SG Madagasikara: mitroka CO2 3,9 t/taona ny hazo voavoly

Miisa 8 000 ny zana-kazo (acacia 6 500, ravintsara 1 500) nambolen’ny mpiasan’ny banky Société générale (SG) Madagasikara any Ampangabe, ny zoma 26 febroary teo. Toerana efa fambolen-kazon’ity banky ity ny any Ampangabe ka nitotaly 129 850 ny zana-kazo voavoly, nanomboka ny taona 1986, amina velaran-tany 57,5 ha. Mikarakara sy mikojakoja ny hazo ny mponina manodidina. Araka ny fanadihadian’ny manampahaizana amin’ny tontolo iainana, afaka mitroka entona karbona CO2, hatrany amin’ny 3,9 taonina isan-taona, ireo hazo voavoly ireo, manana lanjany tokoa ato anatin’ny fotoana manaraka amin’ny fikajiana ny tontolo iainana.

Tafiditra ao anatin’ny paikady amin’ny maha orinasa mandray andraikitra eto amin’ny firenena (RSE) ity hetsiky ny SG Madagasikara ity. Ao anatin’izany koa ny fanampiana nataony hiadiana amin’ny kere any atsimon’ny Nosy, ny fiatrehana ny loza voajanahary ary ny ady amin’ny valanaretina pesta.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.