Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny Ecpat France: Imasoana ny ady amin’ny herisetra fananahana any an-tsekoly

Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny Ecpat France: Imasoana ny ady amin’ny herisetra fananahana any an-tsekoly

Nohamafisina tamin’ny alalan’ny sonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny Ecpat France, omaly, ny ady amin’ny herisetra fananahana mianjady amin’ny ankizy any an-tsekoly.

Tanjona ny fiarovana ny zon’ny ankizy, indrindra ny fanangolena azy ireo eny anivon’ny sekoly ka mahatonga ny fahalainana hianatra na ny fijanonana aloha loatra amin’ny fianarana.

Na eo amin’ny samy mpianatra na eo amin’ny mpianatra sy ny mpampianatra, heverina ny fisian’ny herisetra nofo tokony hosorohina fatratra.

Nanome toky ny tale nasionalin’ny Ecpat – France, ny dokotera Andriamaro Annick, fa vonona hifanome tanana hanatontosa ny asa, ary hamolavola sy hametraka fitaovam-piofanana ho an’ireo ankizy.

Miisa 25 ireo sekoly ao anatin’ny distrika valo eto Madagasikara hisitraka ny fandaharanasa. Anisan’izany Antananarivo, Antsirabe, i Morondava, i Toliara, i Taolagnaro, i Mahajanga, i Toamasina ary i Nosy Be. Mahatratra 10 000 ny ankizy ho voakasiky ny fandaharanasa.

Nambaran’ny minisitra Sahondrarimalala Marie Michelle fa mifanojo amin’ny politikan’ny fitondram-panjakana ny fiarovana ny zon’ny ankizy sy ny ady amin’ny herisetra, ary tafiditra ao anaty fandaharam-pampianarana izany.

Zava-dehibe ny fisian’ny fikambanana manana fahasahiana mamaly ny hetahetan’ankizy toy ny Ecpat France izao ahafahan’izy ireo miady amin’ny fanararaotana mamoafady tsy hambakain’ny olona sy hampiasain’olona amin’ny herisetra.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.