
Miroso hatrany amin’ny fiomanana amin’ilay ady fihantsiana kasaina hatao any Fianarantsoa, ny 28 marsa izao, ny eo anivon’ny federasiona malagasy ny kick boxing. Mialoha ny hanatanterahana ny fifaninanana, hisy ny fivoriambe fanao isan-taona, hatao any Fianarantsoa ihany, ny 27 marsa izao. Fivoriana hanaovana tatitra ny zava-bita ny taon-dasa ary hametrahana ireo fandaharam-potoana ho amin’ity taona 2021 ity. Mahakasika izay fiomanana izay hatrany, miantso izay mpikatroka vonona hifampihantsy amin’ireo ekipa nasionaly sasany izy ireo. Isan’izany i Lavakely Pro (57 kg), i Miora Tina (52 kg), i Jessy Jess (63,5 kg), i Mathus Fayol (51 kg), i Vladis Ducø (60 kg) ary i Torres Tahiry Arinjaka (57 kg). Hangotraka, araka izany, ity “combat de défi” ity satria hahitana ireo kalaza, vavy sy lahy, ireo, hiady amin’io fotoana io.
Eo amin’ity taranja ity hatrany, eo am-piomanana amin’ny fifaninanana ho fanokafana ny taom-pikatrohana 2021 ihany koa, amin’izao, ny ligin’Analamanga ny kick boxing. Ny 14 marsa izao ny kasaina hanaovana izany ao amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina. Mbola hisy ny fotoana hampahafantarana izany bebe kokoa, raha ny nambaran’ny filohan’ny ligy, i Mino Harifetra.
Mi.Raz
Les commentaires sont fermées.