Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fikaroham-bahaolana politika: mitaky governemanta ho an’ny tan-dalàna sy ny demokrasia ny MFM

Fikaroham-bahaolana politika: mitaky governemanta ho an’ny tan-dalàna sy ny demokrasia ny MFM

Mipoitra tsikelikely ny tolokevitra hamahana ny olana politika eto amin’ny firenena. Anisan’ny mivoy ny efa niainana teto amin’ny firenena tany aloha ny eo anivon’ny MFM.

Mitaky ny hametrahana governemanta tsy fiaraha-mitantana izahay. Governemanta ho an’ny tan-dalàna sy ny demokrasia (GVTD)”, hoy ny fehinkevitry ny filankevi-pirenen’ny antoko MFM, natao teto Antananarivo. Nanterin’ny filoha mitantana, Rakotovazaha Olivier, fa efa natao sy niainana teto izany amin’ny alalan’ny governemanta nomena fahefana feno. Teo ny tamin’ny andron’ny Praiministra Razanamasy Guy Willy sy ny tamin’ny taona 2018, nanendrena ny Praiminisitra Ntsay Christian. Anton’izany ny hirosoana amin’ny fanovana sy ny fiovana. “Anjaran’ny praiminisitra, araka ny fahefana feno eo an-tanany, ny manangana ny governemanta. Miresaka amin’ny hery rehetra hahamarin-toerana ny fitondrana. Miankina amin’ny fifampiresahana izany mba tsy handeha amin’ny fahavoazana ny firenena”, hoy ihany izy.

Fiandrasana fifidianana amin’ny taona 2023

Nahitsy koa ny mpikamban’ny birao politika, Rakotoniaina Pety, nanambara fa niafara amin’ny gidragidra sy ny fifandonana ny fifidianana natao teto. Notsikerainy manokana ireo miantsoantso ny tokony hiandrasana ny fotoam-pifidianana amin’ny taona 2023. Niteraka ady io ka ilaina ny fitsipi-dalao ary mila fiomanana izany ka nanaovany antso avo amin’ny filoham-pirenena. “Ilaina ny fifampiresahantsika ary tokony hanana fandeferana ny filoha Rajoelina Andry, manoloana izao raharaham-pirenena izao”, hoy izy.

Anisan’ny andraikitra sahanin’ny filoha nasionalin’ny Tambatra teo aloha ity ny famerenana ao am-bala ireo Mafana, efa nangatsiaka. Anisan’izany Raveloson Constant na koa i Mahery Lanto Manandafy…

Synèse R. 

 

Les commentaires sont fermées.