Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanatsarana ny famokarana: miditra amin’ny teknolojia niomerika ny tantsaha

Fanatsarana ny famokarana: miditra amin’ny teknolojia niomerika ny tantsaha

 Paikady vaovao hanatsarana ny tontolo sy ny famokarana ambanivohitra ny fampiasana ny teknolojia niomerika. Eo koa ny fikirakirana vola ampiasana izany teknolojia izany.

Manohana ny famokarana eny ambanivohitra eto amintsika amin’ny fanamaivanana ny fiantraikan’ny tranga Covid-19 ny fanjakana alemà. Manatanteraka azy ny Fiaraha-miasa alemana GIZ, ao anatin’ny Tetikasa fiatrehan’ny rohim-pihariana ambanivohitra manoloana ny fiovan’ny toetr’andro (Prada) sy ny Tetikasa fiarovana ny nofon-tany (Prosol), mitotaly 1 650 000 euros. Haharitra 12 volana ny asa, mifantoka amin’ny fampiofanana ny tantsaha ho matihanina, amin’ny lafiny fitantanana teknika sy vola, ao anatin’ny Farmer Business School (FBS). Nilaza ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana ary ny jono (Maep), Ranarivelo Lucien, fa hahazo famatsiam-bola mivantana ny tantsaha hita fa tena mazoto, amin’ny alalan’ny MVola. Homena mivantana ny tantsaha mendrika ny 76%-n’ny famatsiam-bolan’ny fandaharanasa amin’ny alalan’ny Dokany mora ho an’ny mpamokatra (DMM), rafitra natsangana hikirakira ara-informatika ny momba ny tantsaha amin’ny alalan’ny teknolojia niomerika. Miisa 3 200 ny tantsaha kendrena hahazo tombontsoa amin’izany, manerana ny distrika valo ao anatin’ny faritra efatra (Voakasiky ny fandaharanasa ny faritra efatra (Anosy, Androy, Atsimo Atsinanana ary Boeny)) iasan’ny GIZ eto Madagasikara.

Miara-miombona antoka amin’ny fanatanterahana ity tetikasa, tohanan’ny GIZ vola, ity ny minisitera Maep sy ny Fondation Axian, orinasa renin’ny Telma sy ny MVola SA, mikasika ny fifanakalozam-bola amin’ny alalan’ny MVola. Eo koa ny Maep sy ny Sekoly ambony misahana ny fambolena (ESSA), eny amin’ny oniversite Antananarivo.

Njaka Andriantefiarinesy

Les commentaires sont fermées.