Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Taekwondo-Analamanga: nahomby ny fifaninanana

Taekwondo-Analamanga: nahomby ny fifaninanana

Tontosa tetsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina, ny faran’ny herinandro teo, ny Open Analamanga, taranja taekwondo. Miisa 300 ireo mpikatroka nandray anjara avy amin’ny seksiona dimy (ny Renivohitra, i Manjakandriana, Atsimondrano, Avaradrano, Ambohidratrimo) tao anatin’ny klioba 17, nisy mpikatroka avy any amin’ny ligim-paritra hafa, toa an’i Matsiatra Ambony, i Vatovavy Fitovinany ary Atsinanana ihany koa nandray anjara tamin’izany. 68 sokajy moa ny nifaninanana tamin’ity, nanomboka amin’ny “poussin” hatrany amin’ny “seniors” lahy sy vavy. Nambaran’ny filohan’ny ligin’Analamanga, Rakotomanana Franck Tiana, fa somary mareforefo ity taranja ity ary tao anatin’ny taona iray mahery no tsy nisy fifaninanana ka natao izao « open » izao. “Hahafahana mampakatra ny haavo teknika izay hita ho nilatsaka be koa ny nanaovana ny hetsika toy izao”, hoy izy. Nanampy sy nanohana azy ireo tamin’ny fanatanterahana ity hetsika ity ny CUA, ny MCC, ny hotel Little India, ny Tometal, ny Lakanjejo sy ny Galax. Raha ny valin-dalao, nisongadina ny klioban’ny CTM sy ny Lion. Namiratra ihany koa anefa ireo klioba sasany avy any amin’ny faritra.

 

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.