Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Rap gasy – “Ray lasy”: nahafa-po ny rehetra ny seho

Rap gasy – “Ray lasy”: nahafa-po ny rehetra ny seho

« Vazo amin’ilay mampihozongozon-doha », hoy i KD Taliano. Tontosa, ny faran’ny herinandro, ny zoma 26 febroary teo, ny hetsika “Ray lasy”. Naharitra adiny roa teo ny seho, nivondronana’ireo avy any Toamasina sy teto Antananarivo, nahitana an-dry Kodobla, i Odar, i Sigah la Perle, i Tchass Baouss, i Isfat, i Da Mc Shakal. Maro ny hira novazoina tao, toy ny “Ray lasy”, ny “Akorinao ‘zay”, sns… Notanterahina tao amin’ny La Teinturerie, nanomboka tamin’ny 7 ora hariva izany. Afa-po ny rehetra nanatrika satria mpanakanto anisan’ny manana ny maha izy avy no nifarimbona tamin’izany, raha tsy hilaza afa-tsy i KD avy ao amin’ny tarika N&C, manomanomana ny fankalazana ny faha-26 taony tao anaty mozika rap.

Amin’ny ankapobeny, manomboka miverina ny fitiavan’ny Malagasy ny mozika rap raha somary lefy kely izany tao anatin’ny taona vitsivitsy. Anisan’ny antony niteraka io fihenan-danjan’ny rap nanoloana ny mozika hafa io ny tsy fahampian’ny fampisehoana an-tsehatra nataon’ireo tarika miangaly izany. Ankehitriny, manomboka manana ny lazany indray ny rap, noho izany, ilaina ny fisian’ny hetsika matetitetika tahaka ny « Ray lasy ».

Narilala

 

Les commentaires sont fermées.