Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Lomano-Mada 25 m: nanamontsana « record national » i Holy Antsa

Lomano-Mada 25 m: nanamontsana « record national » i Holy Antsa

Tontosa soa aman-tsara teny amin’ny dobo filomanosan’ny Esca Antanimena, ny faran’ny herinandro teo, ny fiadiana ny tompondaka an’i Madagasikara, 25 metatra. Nahitana mpandray anjara avokoa ny sokajy rehetra, nanomboka tany amin’ny “poussins” hatrany amin’ny “seniors”. Raha ny vokatry ny fifaninanana, hita taratra tamin’ny fidinan’ny haavo teknikan’ny mpilomano fa tsy ampy ny fanomanana, raha ny nambaran’ny tale teknika nasionaly eo anivon’ny federasiona. Na izany aza anefa, nisy ny nahavita nanamontsana “record national” ary nisy ihany koa ireo nanatsara ny zava-bita tsara indrindra, tamin’ity fifaninanana 25 metatra ity. Ho an’ny sokajy 50 m “papillon”, nomontsanin-dRabejaona Holy Antsa (Managing) ny “record national”. Tamin’ny fe-potoana 29.46 ny nahitan’i Holy Antsa izany, raha toa ka izy ihany ny nahavita ny fe-potoana tsara indrindra, teo aloha, tamin’ny 29.63. Teo amin’ny “relais” 50 m lehilahy, nahazo “record”, tamin’ny fe-potoana 1.51.10, ihany koa ry Franck, i John, i Daniel ary i Nomena avy amin’ny Saint Michel.

Ankoatra izay, fanatsarana zava-bita maromaro ihany koa ny nitranga nandritra ny roa andron’ny fifaninanana. Isan’izany ny azon-dRaherimihamina Lafatra, avy amin’ny SJA, nanao pao-droa mihitsy. Nahavita tao anatin’ny 1.20.68, teo amin’ny 100 m “brasse”, sokajy 12-13 taona lehilahy, sy ny teo amin’ny 50 m “brasse” (35.85). Nahavita nanatsara izay zava-bita tsara indrindra izay ihany koa Raharvel Jonathan avy amin’ny SMCN (1.04.74), teo amin’ny 100 m “brasse”, sokajy 18-19 taona.

Tsiahivina fa nahatonga solontena avokoa ny ligy rehetra nanerana ny Nosy, ankoatra an’i Vatovavy Fitovinany, tsy afaka tamin’ny ora farany.

 

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.