Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

HITSY TORAKA: aza atao mitanila

Samy efa manomanomana ny fiatrehana ny fanavaozana ireo mpitantana fanatanjahantena avokoa amin’izao fotoana izao ireo rantsa-mangaika amin’izany. Efa mametraka paikady avokoa ireo tsara sitrapo vonona hitantana. Mitaky fahitsiana sy fahamarinana amin’ny rehetra mba tsy hatao mitanila ny lalàna mifehy ny fifidianana ka manome tombony ho an’izay am-perinasa na ho an’ireo akamakama. Aleo atao mazava dieny ety am-boalohany ny fepetra ka hitovy avokoa ny herijika ho an’ireo mpifaninana. Tsy lamaody intsony ny fampandriana adrisa sy ny fanaovana kobaka am-bava. Mila mijery tsara fa tsy hihinana am-bolony ihany koa ireo mpandatsa-bato. Aleo tsy hisy ny fitanilana amin’ny fampiharana ny didy sy ny fitsipika. Tapitra hatreo ny kitoatoa sy ny tsimatimanota. Mila fahavononana sy herin-tsaina ny fampandrosoana ny fanatanjahantena fa tsy hiandry hatrany zavatra mitanila  hikatsahana tombontsoa manokana.

 

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.